Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 5, 1-6. 13-14. 16-17. 23-28)

Nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra.

Tamin’izany andro izany,
nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka,
ho an’ireo tompo-menakeliny arivo lahy:
ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy.
Nentanin’ny divay i Baltazara,
dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokôdônôzôra rainy,
teny an-tempoly izay ao Jerosalema,
mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompo-menakely
mbamin’ireo vadiny sy vaditsindranony.
Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin’ny tranon’Andriamanitra,
izay ao Jerosalema,
dia nisotro tamin’izany ny mpanjaka,
ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony.
Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy,
varahina sy vy, ary vato aman-kazo.

Tamin’izay,
dia nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra
tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana,
teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka,
ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany.
Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny,
nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny.
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniely.
Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ianao va no ilay Daniely,
isan’ny babo avy any Jodà,
nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea?
Efa reko ny aminao,
fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra
sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina
sy fahendrena mahagaga.
Ary izaho efa nandre ny aminao
fa mahay milaza hevi-javatra,
sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao;
koa raha mahavaky io soratra io ianao,
sy mahalaza amiko ny heviny dia hampitafìna jaky,
hasiana rojo volamena ny vozonao,
ary ho mpifehy fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.”

Dia niteny i Daniely,
ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe:

“Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao
ary omeo ny hafa ny fanatitrao.
Fa ny voasoratra hovakìko amin’ny mpanjaka ihany,
ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.
Nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao,
nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony,
ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompo-menakelinao
mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao,
noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina,
vy sy vato aman-kazo izay tsy mahita,
na mahare, na mahalala na inona na inona akory;
fa ilay Andriamanitra tompon’ny fofon’ainao
sy iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao!
Dia tamin’izany no nanirahana io tendron-tanana io
avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao.
Ary izao no soratra voalahatra:

‘Mene, Mené, Tekel, ary Parsin!’

Ka izao no hevitr’ireo teny ireo:
Mené (voaisa):
nisain’Andriamanitra ny fanjakanao dia notaperiny.
Tekel (voalanja):
nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana.
Parsin (voazara):
hozaraina ny fanjakanao,
ka homena ny Meda sy ny Persa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 62 sy 63. 64 sy 65. 66 sy 67

Derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Masoandro amam-bolana:
isaory ny Tompo!
Ry kintan’ny lanitra:
isaory ny Tompo!

Ry andro aman’orana:
isaory ny Tompo!
E rivo-mahery:
isaory ny Tompo!

Hain’andro sy afo:
isaory ny Tompo!
Fanala sy hatsiaka:
isaory ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Hosamborina ianareo, hoenjehina,
hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana
noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo,
dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo
ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo
dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)

Hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay Andriamanitra, ary hotorotoroiny ny fanjakana rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:

“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.

Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61

Derao sy ankalazao mandrakizay Izy.

Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:

“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”

Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”

Ka hoy i Jesoa hoe:

“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:

‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,

fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”

Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:

“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 1, 1-6. 8-20)

Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo.

Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna
hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra,
ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara,
ao amin’ny tranon’ny andriamaniny,
sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.

Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka,
hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely
izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany,
nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara,
hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka,
sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro,
amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony,
mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka,
rahefa nobiazina telo taona izy ireo.
Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
avy amin’ny taranak’i Jodà.

Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely
fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony;
ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy
mba tsy hanery azy handoto tena.
Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely.
Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely:

“Matahotra ny mpanjaka tompoko aho,
fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo;
ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia
noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo?
Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.”

Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo
notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa:

“Masìna ianao,
manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao,
hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay.
Ka rahefa afaka izany,
samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka,
dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.”

Nekeny ny hatak’izy ireo,
ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
Nony tapitra ny hafoloana,
dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra
nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo
ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny,
fa hanin-kotrana no nomeny azy.

Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy,
samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana
momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra;
ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra,
dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo.
Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka,
ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo,
dia hitany fa nanan-tombo impolo heny
noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra,
teo amin’ny fanjakany manontolo,
ny fahambonian’izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra:
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mipetraka ambony Kerobima:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena
nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray
nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io
no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany
ho an’Andriamanitra,
fa io kosa,
dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 6, 1-13)

Noho ny ratsy nataoko tany Jerosalema, dia ho faty amin’alahelo lehibe aho.

Tamin’izany andro izany,
i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo.
Nony reny fa any Persa, any amin’i Elimaida,
misy tanàna anankiray malaza amin-karena,
be volafotsy sy volamena,
manan-tempoly be zava-tsarobidy,
misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra,
fiadiana navelan’i Aleksandra, zanak’i Filipo,
mpanjakan’i Masedoàna,
ilay nanjaka voalohany tamin’ny Greka,
dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna,
kanjo tsy nahomby izy,
fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.
Nitsangan-kiady aminy ireo,
dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe,
hiverina ho any Babilôna.

Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa
nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà, fa hoe:
Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasa,
dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody,
ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana
mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;
noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema,
nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly;
toy izany koa no nataony tany Betsora,
anankiray amin’ny tanànany.

Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka,
dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany,
ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraikinararin’alahelo,
fa tsy tanteraka ny faniriany.
Andro maro izy teo ihany,
ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina.
Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany,
dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:

“Ny torimaso nandao ny masoko,
ary ny alahelo mandreraka ny foko, ka hoy aho anakampo:
Alahelo lehibe manao ahoana itý mahazo ahy,
ary hantsan-dalina manao ahoana itý nilatsahako izao?
Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!
Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema
fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao,
ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony,
ny mponina rehetra tany Jodà.
Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko,
ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe,
atý an-tanin’olon-kafa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19

Hifaly amin’ny famonjenao aho, Tompo!

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Rafitra mianòtra ny fahavaloko,
mivena sy ringana anoloanao.
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!

Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina!
Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava;
ny fanantenan’ny ory tsy ho diso mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty,
ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny,
mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy,
ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy,
fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy
sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:

‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’

Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...