Maro ny fanafody miparitaka ankehitriny, 30% ny olona no mety ho tratra ny tsy fahazakàna fanafody. Tandindomindoza ny fahaveloman'ny ollona raha sanatria ka mihombo ilay tsy fahazakàna. Ireo fambara ahafantarana azy dia mety hisy hidihidy ny hoditra izay somary mena sy mivohitra, mandoa, mivalana, mihenjana ny ozatry ny kibo, tsentsina ny orina, maso mena, fivontosana any amin'ny faratenda, ary mety hafaty aingana...
Tratra ny valan'aretina antsoina hoe Fièvre de la Vallé du Rift na ny FVR ny ondry aman'osy ary ny omby amin'ny faritra telo eto Madagasikara ankehitriny. Aretina azon'ny ondry aman'osy sy ny omby ary mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina...
Vao eo ampanombohan'ny fiparitahan'ny valanaretina Covid-19 avy atsy Afrika atsimo isika izao. Mifindra haingana sy mahafaty olona kokoa noho ny tamin'ny andiany voalohany izy io. Tokony hiray hina sy hifanohana ny mpiara-belona rehetra isan'ambaratongany sy amin'ny sehatra rehetra satria ny fanajana tanteraka ny fepetra rehetra no antoka tokana handresentsika io fiparitahana io...
♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena... ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco