Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

Foibe niantsehatra amin'ny sehatr'asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny FAFIALA. Manofana ireo tantsaha, teknisiana sy ny fikambanana samihafa momba ny asa fampandrosoana eny ambanivohitra nanomboka tamin'ny taona 1992, izay hanamarika ny faha-30 taona nijoroana amin'ny taona 2022.

Iray amin'ireo foibe niisa 5 tamin'izany fotoana izany natsangana noho ny fiaraha-miasa suisse, hany sisa mijoro amin'izao fotoana izao. Mivoatra manaraka ny fotoana ihany koa anefa ny rafitry ny FAFIALA hoy Andriamatoa Raveloarijaonina Nonah, tale mpanatanteraka.

Foibe miantsehatra eny amin'ny tontolo ambanivohitra mifototra amin'ny fampandrosoana lovain-jafy ny FAFIALA. Misandrahaka amin'ny faritra samihafa ny sehatr'asany ankehitriny. Ny any avaratra, ny any atsimo, ny any andrefana sy atsinanana ary ny asty afovoan-tany. Mivoy ny teknika famokarana nohatsaraina ahafahana miatrika ny fiovaovan'ny toe-tany, mivohy ny fambolena miaro ny tontolo manodidina, miaro ny tontolo iainana sy mikajy ny zava-boary hoy ny tale mpanatanteraka, Raveloarijaonina Nonah. 

Andraikitra goavana nankinin'ny Fanjakàna amin'ny FAFIALA ihany koa ny fihazonana sy ny fanatsaràna ny taranaky ny landy eto Madagasikara, toa izany koa ny fampiroboroboana ny karazana voarohihazo, sakafon-dandy. Sehatr'asa tanterahany ao Tsivatrinikamo-Antsirabe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...