Mila mizara fihetse-po amin'ny hafa isika mba tsy hisian'ny fiatsarambelatsihy. Aza mihevitra hanova olona fa ianao aloha no manao ezaka hiova ho tsara kokoa. Amin'ny alalan'ny saina no ahafahana mampita hevitra, betsaka amintsika anefa no tsy milaza ampahatsorana ny ao an-tsaina. Antony maro no tsy hananana toe-tsaina mangarahara : tahotra, tsy fahatokisan-tena sy ny olona hafa, tsy fifankahazoana, te hisongadina, rivo-panabeazana sy kolotsaina...

Manohana an'ireo tanora hiatrika ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny fampiofanana sy tohana atao azy ireny ny tambazotra FARMADA, rafitra ivondronan'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra.

Tsy heloka ny fahafahan'ny zazarano raha tsy mifanaraka amin'ny nokendrena ny fitazomana azy, noho ny fitsaboana tsy azo ialàna, mba ho fahasalaman'ny reny. Araka ny lalàm-pitondrantena izany. Vokatra ankolaky ny asa tsy fanalan-jaza ny fahafahan'ny zaza amin'izay. Tsy azo odian-tsy fantatra na atao ambin-javatra ny fitondrana vohoka vokatry ny fanaovana an-keriny sy ny zava-tsarotra mbamin'ny antony ambadika.

Ny fanampiana dia azo atao amin'ny fomba maro : fotoana, fahalalana, talenta, fananana, vola. Raha misy ny faharesen-dahatra noho ny fanarahana ny fandaharana "mba ho vanona" dia tanteraho fa hanova ny fiainanao. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...