Ny "fibrome myome" dia fivontosana eo amin'ny nofo mamono ny tranonjaza, satria ity farany dia misy fonony. Io fivontosana io  dia tsy mivadika ho homamiadana mihitsy. Ny antony mety hatonga io fivontosana io dia mety ho fikorontanan'ny tsirim-panentana ; metsaka loatra ny tahan'ny "oestrogène" na tsy ampy ny "Progestérone". Mety ho antony ihany koa ny fihinana na fiosorana vokatra misy "oestrogène"...

Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

♦ Ny Federasionina "Milano rika" dia ivondronan'ireo fikambanana mpanjono madinika miisa 15, izay ahitàna mpanjono miisa 700 any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Ny mpikambana sy ny vondron'olona ifotony dia vonona ny hiaro ny rika sy ny harena ao anatiny... ♦ Ny akanga : karazam-borona avy aty Afrika, misy karazany dimy manerantany fa karazany iray ihany no misy eto Madagasikara. Voasokajy ho isan'ny fianakaviambe ny antsoina hoe : "fasianides" ny akanga...

Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ;  faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...