21 aogositra 2023 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
Ry kristianina havana! Namporisihina isika omaly hananana finoana tahaka ilay vehivavy Kananeana ary izany finoana izany no entintsika mangataka fahasoavana amin’Andriamanitra. Amin’ity andro hankalazantsika manetriketrika ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo androany ity izay anisan’ireo santa-bokatra ho antsika kristianina Malagasy raha ny finoana no resahina, dia miteny amintsika i Jesoa manao hoe: “Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be”. Nandaitra tokoa io tenin’i Jesoa io teo amin’i Victoire Rasoamanarivo satria fantatsika fa vehivavy be herim-po izy, nijoro tamin’ny finoany, tsy mba natahotra ny hotebahina na ny ho very tombon-tsoa na ny ho faty.
Raha manantitrantitra amintsika i Jesoa mikasika ny fanjakan’Andriamanitra dia ambarany androany fa ny firaisantsika tanteraka Aminy no tena famonjena ho antsika. Ohariny amin’ny voaloboka ny Tenany izay endriky ny Fiangonana manana Azy ho Filoha sady lohany rahateo ary isika kristianina rehetra no sampana izay irìny hiray aminy mandrakariva ary sampana irìny mba hamoa be ao amin’ny fanjakany. Nitoetra tamin’izay fitiavan’i Kristy izay tokoa i Victoire Rasoamanarivo ary niezaka hampamokatra izany teo amin’ny fiainany tamin’ny alalan’ny fitiavam-bavaka manokana nananany ; ny fitiavana manokana ny Eokaristia izay manome hery ho antsika isan’andro ; ny fitiavana manokana an’i Masina Maria ilay Renin'Andriamanitra nefa Reny be fitiavana tsy mahafoy antsika koa ; tamin’ny fitiavana lehibe nasehony noho ny fanasoavany ny mahantra, ny kamboty, ny marary… ka nizarany izay teo an-tanany ; tamin’ny toetra feno fangorahana sady feno fandeferana nasehony, tamin’ny fiharetana ny mafy na tao amin’ny tokantranony na teo anivon’ny fianakaviana na tamin’ny Finoana ; tamin’ny fandraisana andraikitra lehibe sy ny fijoroana ho vavolombelona teo anivon’ny Fiangonana.
Fampianarana lehibe ho antsika tokoa ny nataon’i Victoire Rasoamanarivo ary mendrika halaintsika tahaka mba hahazoantsika ny fanjakan’ny lanitra izay katsahintsika eto an-tany. Ahoana moa no ahafahana milaza fa mitoetra ao amintsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra ka mamokatra ao amintsika? Ny oha-piainana nasehon’i Victoire no manampy antsika amin’izany: ireo ohatra efatra lehibe efa notanisaintsika teo ireo no ezanatsika koa iainana fa izany ny Eglizy vatan’i Kristy ka tiany hanahaka Azy lohany. Ambaran’i Jesoa mamarana ny Evanjely androany hoe: “ho voninahitra ho an’ny Raiko, raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro”, koa manentana antsika hatrany àry, hanohy ny vavaka fanaontsika mba hampiharihary izany voninahitr’Andriamanitra izay eo amin’i Victoire Rasoamanarivo ary isika kosa hiezaka hatrany haka tahaka azy, hitoetra mandrakariva ao amin’i Kristy mba hamokarantsika be toa an’i Victoire eo amin’ny fiainantsika.
Ry Andriamanitra Rainay ô! Mihanta aminao izahay! Asehoy ny voninahitrao ka enga anie ny vavaka ataonay tsy tapaka mba hahatonga an’i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra, ho Olomasina mba ho mpanalalana sady fitaratra ho anay! Amen.