Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
6 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Mety misy fotoana manadino an'Andriamanitra isika, mety tena minia mandositra Azy, tadidio anefa fa na minia tsy mieritreritra an'Andriamanitra aza isika na manohitra Azy dia eo amintsika foana Izy ary tsy manary antsika. Ny endrika hitenenan'Andriamanitra amintsika dia ny feon'ny fieritreretana, ny konsiansa. Io ilay feon'Andriamanitra manoro antsika ny tsara, ny mety, ny marina. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
5 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco