18 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

Mitaona sy miangavy antsika i Jesoa mba ho avy, hankeo aminy. Tsy ny hafaliana sy haravoana ihany no entina eo aminy fa hatramin’ireo fahoriana amam-pijaliana izay manavesatra antsika mba ho hamaivaniny. Aiza indray no misy ohatran’izany, tsy aleo mankany aminy! Aza mankany an-kafa àry fa eo aminy ihany, sao diso fiantefa any. Midika koa izany hoe: manafaka antsika amin’ireo geja mandrohy antsika Izy, mamaha ireo olana rehetra mianjady amintsika. Manamaivana antsika Izy. “Ny entan-jaraina mora zaka”, hony fiteny, ny fahoriana amam-pijaliana tsy zaraina toa zakan’ny tompony. Misy aza moa ny sasany tsy mahazaka ny havesarany ka mamoy fo! Loza anefa izany, indrisy, toa hadinon’ireny olona ireny ity lazain’i Jesoa tamintsika teo ity na koa iniana tsy iainana na tsy te hahalala fotsiny izao. Koa fadio ny milonjo irery ny fahoriantsika fa ento eo aminy. Tsarovy fa mety hiha-mitombo io ka miha-mavesatra raha lanjaina irery. Ny omby mazàna tsy mandeha irery mitarika sarety satria enta-mavesatra. Tsy mety araka izany ny miharitra irery amin’izay mavesatra entin’ny tena fa mila manatona Azy Jesoa mba ho hamaivaniny, Izy no efa niantso ka inona no atahorana?

Saingy ny tohiny dia ny fitondrana ny hazofijaliny miaraka aminy no hanamaivana antsika. Efa nozarainy tamintsika ny Azy ka isika koa mila mizara ny antsika Aminy. Izay tia mantsy mizara fa izay tsy tia kosa manao salobon-komana. Ary arakaraka ny izarana no mampitombo izay ananana fa tsy sanatria mampihena azy tsy akory, raha atao amin-kitsim-po sy am-pitiavana izany.

Tsara raha miverina kely amin’ny dikany ara-bakiteny isika: ny jioga nanavesatra ny vahoaka Israely dia ireo didy aman-dalàna voalazan’ny bokin’ny lalàna misy aman-jatony maro tsy maintsy hay ary tanterahina ara-bakiteny, fa rehefa tonga kosa i Jesoa dia nohamaivaniny izany ka nofintininy tamin’ny teny tokana dia ny Fitiavana izany. Ka ahoana moa no tsy hahamaivana an’izany! Ny fitiavana eto raha zaraina dia vao mainka mitombo, fa raha tazonina ho an’ny tena fotsiny manjary fitiavan-tena ka ho loza!

Fitiavana ny jiogan’Izy Kristy ka tsy fitiavana mandeha ho azy fa iharetana fijaliana aza indraindray, itondrana ny mafy fa rehefa raisina am-pinoana sy iarahana mitondra aminy ka hibanjinana Azy mifantsika eo dia tsy maintsy handresy miaraka aminy. Ny hoe “mianara amiko” midika fa sekolin’ny fitiavana Izy ka tsara atao sy arahina ihany koa izay nataony sy niainany. Tandremana ny didiny. Sekoly tsy misy sara-pianarana na andoavam-bola be ny Azy ka mampiferotra aina tsy ho afaka hanefa izany fa sekolin’ny fitiavana, sekolin’ny hamoram-po, takatry ny mahantra fa mahavoaray ihany koa ny mpanana, sekoly tsy manavaka foko na fiaviana, sekoly mora hita fa tsy saro-tadiavina. Koa aza mitady na mifindra sekoly hafa intsony, fa Izy sy ao aminy ihany dia efa feno tsara.

Mazava ny tarigetran’io sekoliny io: “malemy fanahy sy manetry tena ao am-po” Dia ezahina tratrarina izany mba hahazoana fiadanana marina dia ny fiadanam-panahy araka ny lazainy eto; izay tsy iza fa mbola Izy ihany. Izay mahay sy mahazo ary mahalala Azy mantsy dia hiadana tokoa. Koa tsy ny fananana izatsy sy zaroa no tena mampiadana fa ny fananana Azy eo amin’ny fiainana. Koa ny diplaoma tsara indrindra omeny antsika rehefa mahavita ny fianarana Azy dia ny lanitra izany, ny fiainana mandrakizay. Koa enga anie isika rehetra tsy ho diso anjara amin’izany.

Diôsezin'Antananarivo : Fanendrena Pretra (2024-2025)

Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny  alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...