Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 38, 1-6. 21-22. 7-8)

Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao.

Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa.
Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe:

“Izao no lazain’ny Tompo:
Omeo ny fianakavianao izay didinao,
fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.”

Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa,
ka nivavaka tamin’ny Tompo; hoy izy:

“Tompo ô,
tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho,
ary nanao izay tsara eo imasonao.”

Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.
Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe:
Izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Davida rainao:
Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao,
ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho;
ary hiaro ity tanàna ity.”

Hoy i Izaia:

“Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery,
ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.”

Ary hoy i Ezekiasa:

“Inona no famantarana hahalalako
fa hiakatra any amin’ny tranon’ny Tompo aho?”

Ary izao no famantarana omen’ny Tompo anao,
hahafantaranao fa hotanterahin’ny Tompo izany teny nolazainy izany:

“Indro Aho hampihemotra ny aloka hiverina
araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy;
eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.”

Dia nihemotra ambaratonga folo,
teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo ny masoandro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Iz. 38, 10. 11. 12abde. 16

Arovanao amin’ny lavaka fahaverezana ny fanahiko, ry Tompo.

Vao misasaka ve ny fiainako,
dia ho faty sahady, hoy aho.
Ka ny androko sisa rehetra,
dia ho very sy hafoiko avokoa.

Tsy hahita ny Tompo intsony,
raha atý amin’ny tanin’ny velona.
Tsy hahita na iza na iza
amin’ny mponina ambonin’ny tany.

Ny fonenako no indro hiongotra
toy ny lain’ireo mpiandry ondry.
Fa ny fiainana mba notenomiko,
hotapahina ho afaka ny haraka.

Fa ny foko mitoky aminao,
ka sitrano aho, Tompo, velomy,
dia hiova ho soa ny anjarako
na mangidy aza izay efa nentiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

Tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza taminy hoe:

“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”

Ary hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...