Tsy misy olona hanana herim-po hino fa tia azy Andriamanitra raha tsy mahalala an'i Jesoa ; ny fahalalana an'i Jesoa no hahafahantsika mahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. I Kristy nofantsihana teo amin'ny hazofijaliana no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra ; Ray mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra porofon'izany ny fitsimbinany antsika... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
22 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
Ny olombelona dia akaiky an'Andriamanitra ; tsara hotadidiana ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Deteronomy hoe : diniho tsara, iza ny vahoaka manana andriamanitra akaiky azy tahaka ny anananareo Ahy akaiky anareo?. Ny fahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo no manambara fa Ray mandrakizay Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
21 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco