16 febroary — I Masimbavy Julienne dia anisan'ireo malaza tamin'ireo vehivavy virjiny maty martiry noho ny finoana an'i Kristy tao Nicomédie. Nisy tovolahy iray avy amin'ny fianakaviana ambony nangataka azy ho vady. Nampahafantariny an'io tovolahy io fa kristianina izy ary tsy hanambady afa-tsy kristianina.

Nolazain'io tovolahy io tamin'ny rain'i Julienne izany, marihana fa ny ray aman-drenin'i Julienne dia mpanompo sampy, tezitra noho izany ny rainy fa tsy nahoany izany fa naleony niharitra ny kapoka tao an-tranon-drainy, ny fonja sy ny vy toa izay hanambady olona tsy mpino.

Nilaozan-drainy i Julienne, ary ilay tovolahy izay lasa préfet tao an-tanana dia nitory azy tany amin'ny fitsarana. Na inona na inona fandrahonana sy fanarabiana dia tsy niova hevitra mihitsy i Julienne na dia hodoram-belona sy omena hoanin'ny biby aza. Tezitra noho izany ity mpitsara ka nandratra azy tamin'ny felaka sy nanantona azy tamin'ny volony nandritra ny fotoana maharitra. Nodorana tamin'ny vy mahamay sy mivoara mena koa izy fa tamin-kerim-po tanteraka no niharetan'i Julienne izany fangirifiriana izany. Naverina tany am-ponja izy ary nivavaka fa mbola demony niseho naka fanahy azy fa niantso an'Andriamanitra i Julienne hiaro azy ka nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Julienne, mahereza, miaraka aminao aho".

Sitrana tanteraka i Julienne taorian'izay ka gaga ilay tovolahy nahita azy tao amin'ny fitsarana, olona salama vatana sy meva endrika ery, hany heriny dia nanipy an'i Julienne tao anaty fatana fa tsy nahazo azy anefa ny afo. Efa nahatratra 500 ny olona nibebaka noho io fahagagana niseho tamin'i Julienne io. Narotsaka tao anaty menaka mangotraka izy fa tsy nampihontsona azy izany, farany, notapahana ny lohany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...