Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.

Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Zoma 19 jona 2020 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...