11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

11 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona— Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...