Alahady 15 aogositra 2021 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Mba hazava sy ho azon'ny tsirairay ny atao hoe "soa iombonana" dia mila miditra ao anatin'ny fikambanana izy. Ao anatin'ny fikambanana no mianatra ny atao hoe : "soa iombonana" ary anisan'ny tarigetra maha fikambanana azy ihany koa ny fikatsahana ny soa iombonana. Tsy maintsy hampifandraisina amin'ny soa iombonana ny soa ho an'ny tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonanan, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
Sabotsy 14 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15
Sitrak'Andramanitra ny fifampiankinan'ny zavaboary. Ny masoandro, ny volana, ny sedera sy ny voninkazo, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan'ny karazana sy ny tsy fitovian'izy ireo no midika fa tsy misy zavaboary na iray aza mahavita tena. Manana anjara toerana sy adidy manoloana ny hafa ny olombelona tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco