Sabotsy 14 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15

Mampianatra antsika amin'ny alalan'ny zazakely i Jesoa. Isika izay manorina sy mizotra mankany amin'ny Fanjakan'ny Lanitra. Ny maha zazakely dia sady lalam-piaina amin'ny maha olombelona, no fotoana lalovana koa isintonana ireo hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy maneho fahamendrehana ho amin'ny Fanjakan'ny Lanitra. Ny maha zaza no mampiharihary ny maha maharefo antsika olombelona, ny filana vonjy etsy sy eroa ka hanatonana an'Andriamanitra. Mamerina antsika amin'io fahazazana io i Kristy, hiainantsika ny maha zanak'Andriamanitra antsika.

Fakam-panahy mantsy ny fiheveran-tena ho olon-dehibe, mahavita tena ka afaka hisahana samirery ny tena sy ny fiainana, izany hoe hanadino na sy hiraharaha an'Andriamanitra, fototry ny fiainana sy ny maha isika antsika. Hoy i Masindahy Augustin hoe : "Noharianao izahay mba ho anao ka tsy hitony ny hetahetam-poanay raha tsy eo anilanao", ary hoy koa ny Salamo : "Raha tsy ny Tompo no momba antsika dia ho sasa-poana isika".

Enga anie isika, hiezaka tsy hanadino an'Andriamanitra ary hiezaka koa hitafy ireo hatsaram-panahy mampiombona antsika tanteraka aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...