Talata 26 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21

Tsapa ankehitriny fa miroaroa saina sy mitebiteby ary tsy mahatoky tena ny tanora noho ny tahotra mameno ny fony manoloana ny ho aviny. Hany ka tsy mari-toerana ny fiainany ary maro no tsy mijoro amin'ny heviny sy tsy mitàna ny teny nomeny. Jesoa anefa manome toky fa eo mandrakariva hitari-dalana azy ireo. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alatsinainy 25 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17

Mbola miaina ao anatin'ny firaisam-po isika ary izay no atao hoe fiombonana ao amin'ny eglisy, hampiraisin'i Jesoa kristy, filoha tokana. Ny fahasamihafana dia mitazona sy mandrisika amin'ny fifampitsinjovana. Ny finoana dia mivelatra ara-jeografia, mifanaraka amin'ny fitomboan'ny mponin'ny tany. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...