Alarobia 24 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

Tsy afaka milaza ho nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanambadiana ny olona iray raha tsy maty an-kazo tokana tamin'ny olona iray nekeny ho vady ; toy izany koa ny pretra na relijiozy iray, tsy afaka ny hiambo ho pretra na relijiozy izy raha tsy maty tamin'ny lalana nosafidiny na dia niaritra olana sy sedra maro aza. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Talata 23 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11

Misy ireo misafidy ho pretra na relijiozy na ho tokan-tena, rehefa mandalo zava-tsarotra ny olona dia mihevi-tena ho diso lalana, hany ka lasa mangozohozo sy tsy mari-pototra ilay antso tokana niantsoana antsika dia ny fahamasinana. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...