Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Faha-zato taonan'ny "rerum novarum", nirodana ny rafi-pitondrana Sovietika (1989). Nahasongadina ny fivelarana amin'ny lafiny mahaolona ary noresahina ny maha samy hafa ny fandrosoana sy ny fivoarana. Ny fivoarana marina dia tsy afaka ny hianona amin'ny harena fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 24 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23
Tsy ny firehan-kevitra no ampy hamaly ny fihantsian'ireto fanamby ireto : ny fiitaran'ny tanàna, ny tontolom-piainan'ny tanora, ny toerana misy ny vehivavy, ny tsy fananana asa, ny fifindra-monina, ny herin'ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Feno 80 taona ny "rerum novarum" tamin'ny 1971, ary teo koa ny firoborobon'ny indostria. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco