Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Mankalaza ny nilazan’ny Anjely tamin’ny Masina Maria ny nahatongavan’ny Teny ho nofo tao an-kibony ny Eglizy izao. Zava-dehibe tokoa izany amin’ny tantaram-pamonjena satria nisy fiantraikany teo amin’izao tontolo izao. Maneho koa ny fietretenan’Andriamanitra haka nofo toa antsika mba hamonjeny antsika izany. Mitarika antsika ho amin’ny fahaiza-mandray io tenin’Andriamanitra io. Betsaka ny tenin’Andriamanitra ambara amintsika fa tonga nofo ao amintsika ve izy ireny ka latsaka anaty toa tsoka sa misomidika ambony toa menaka fotsiny na koa sanatria toa ravina atentina fotsiny. Izany hoe mila halalinina sy iainana ny tenin’Andriamanitra mba ho tonga nofo ao amintsika marina tokoa. Koa meteza mandray sy miaina izany àry isika !

Fahatongavana ho nofon’i Jesoa tao an-kibon’i Maria Virjiny tsy tamin’ny fomban’olombelona fa miavaka ny nanatanterahan’Andriamanitra izany, hoy ny Anjely : "Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao ; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao." Araka izany, misterim-panavotana ny fankalazana ataontsika izao ka tsiahivina isan-taona fa averimberina amin’ny vavaka Anjelisy fanaontsika isan’andro na in-telo isan’andro aza.

Tsarovy koa fa olombelona mitovy amintsika no voafidy manokana ho renin’Ilay Zanak’Andriamanitra lahy tokana. Maneho ny maha ambony antsika izany raha mitaha amin’ny zava-boary hafa ka ny voninahitra an-tsobika tsy atao am-patram-bary. Ny hasina maha ambony antsika aza afotetaka amin’ny tany.

Ilay Fanahy fotsiny, tonga naka vatana tao an-kibon’i Maria, olombelona, Ilay Mpahary nietry ho tonga ao amin’ny voary noharîny, Ilay tsy omby ny lanitry ny lanitra sy ny tany, nanaiky ho tonga ao ankibon’ilay virjiny, Ilay tsy voafetra nanaiky ho voafetra noho ny fietreny tena, Ilay ambony indrindra nanaiky hitovy torosy amintsika olombelona afa-tsy ny fahotana, nilatsa-tena ho ambany kokoa aza mba hanandratra antsika hitovy aminy. Ilay Tompo sy Andriamanitra nidina ho olombelona mba hanandratra ny olombelona hitovy aminy. Ilay Loharano nanaiky hanovo amin’ny sampany.

Azo lazaina koa fa tandindon’i Jesoa tonga Nofo eo amin’ny fiainantsika andavanandro izany amin’ny alalan’ny teniny aroso amintsika, indrindra moa ny Tenany dia ny Komonio izany ka hamaliantsika hoe : Amen. Mitovy amin’i Masina Maria isika amin’izany, hoy i Masindahy Joany Paoly II. Ka aoka tsy ho fahazarana fotsiny fa atao am-pahamendrehana tokoa ny fanaovana Komonio.

Nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Masina Maria ka tonga Renin’Andriamanitra. Modely ho antsika izy amin’izany. Koa rehefa miteny isika, mamerina ny teniny hoe : "Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao." na lahy na vavy miteny izany dia tsara mandinika tsara mba ho tena tonga nofo ao amintsika tokoa i Jesoa na amin’ny teniny na amin’ny Tenany.

Arahaba, ry Maria, feno hasoavana, ny Tompo ao aminao…

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...