Andriamanitra no tompon'ny Aina. Jen 2,7 : Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Job 27,3 : raha mbola manana fofon'aina ihany koa aho, ka mbola eo am-bavoriko ny fofon'ain'Andriamanitra dia tsy hisy tsy marina hotononin'ny molotro sy tsy hanonin-dainga ny lelako.... Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 27 febroary 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan"i Masindahy Joany 16, 20-23a

Ny niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra dia voasokajy ho isan'ny andro voadidy hohamasinina. Misy lafiny roa ny mistery ankalazaina : voalohany dia Izy Jesoa lasa nody any amin'ny Rainy izay niaviany ka tsy hitantsika maso intsony ; ny faharoa dia  mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Rainy izy ary maneho ny voninahiny izay efa nananany. Katesizy momba ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, miaraka amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 26 mey 2022 — I Jesoa niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 46-53

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...