Ny niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra dia voasokajy ho isan'ny andro voadidy hohamasinina. Misy lafiny roa ny mistery ankalazaina : voalohany dia Izy Jesoa lasa nody any amin'ny Rainy izay niaviany ka tsy hitantsika maso intsony ; ny faharoa dia  mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Rainy izy ary maneho ny voninahiny izay efa nananany. Katesizy momba ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, miaraka amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...