Sabotsy 12 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

Manentana an'ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay "fanantenana lehibe" dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan'i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin'ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena. Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Isan’ny hatsaram-panahy angatahin’i Jesoa amintsika mpanara-dia Azy ny famindram-po; “aoka ho mpamindra fo ianareo toy ny Rainareo mpamindra fo”. Ary isan’ireo ezaka lehibe tiantsika hianana mandritra izao karemy izao izany. Fa inona ary moa ny famindram-po ary inona no ataontsika mba ho mpamindra fo koa isika? Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Zoma 11 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...