Talata 15 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

Aza sasatra manao ny tsara amin'ny namantsika amin'ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana. Andriamanitra izay "manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Ao anaty herinandro faha-roa amin’ny Karemy isika. Hodinihintsika manokana mandritra ny herinandro ireto hatsaram-panahy roa lehibe izay mifototra indrindra amin’ny fiainana maha-kristianina antsika tsirairay avy : « Fangorahana sy fahalalan-tanana ». Fandinihina masina iarahana amin'ny Fr. Michel Fabrice Razafimandimby, sdb.

Alatsinainy 14 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...