Alatsinainy 20 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5

Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara antsika olombelona, satria Izy no Mpitsara ara-drariny sy Mpamindra fo. Noho izany tsy afaka mitsara ny namana isika raha tsy manana ireo toetra roa ireo, izay azo lazaina fa sarotra tokoa ny manana azy.

Ampianarin’i Jesoa antsika àry eto, mba ho mpiantra sy ho mpamindra fo rehefa misy tsy mety ataon’ny hafa fa tsy hanakiana fotsiny. Isika rehetra mihitsy mantsy no mila maintehatra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra satria ny olombelona rehetra dia mpanota avokoa (Rn 3, 23). Ny kilemantsika dia tsy mba mahita ny tsy mety ataon’ny tena fa mailaka sy kinga kosa ny mijery ny tsy mety ataon’ny hafa. Mila mandini-tena isika mba hanatsarana ny fiainantsika ihany. Tsara ny manamarika fa i Jesoa tsy miteny mihitsy hoe : aza rarahina ny hafa rehefa misy tsy mety ataony. Fa ny tiany ambara dia diniho aloha ny tenanao sy ahitsio izay tsy mety ao aminao alohan’ny hanampianao sy hitenenao ny hafa. Alaviro àry, ny toetran’ny mpihatsaravelatsihy izay manafina ny toetra ratsiny, ka tsy vonona akory ny hiala amin’izany, nefa mampiseho ny ratsy izay ataon’ny namana. Hoy i Mère Terèsa izay hoe : "Raha mitsara ny hafa isika dia tsy manam-potoana hitiavana azy".

Fitiavana àry, araka izany, no tokony hifampitondrana amin’ny fifanampiana.

Tompo ô, ampio izahay hahay handini-tena sy hifanampy marina tokoa amin’ny kilema izay tokony hialana. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...