Sabotsy 30 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12

Tsy maintsy fongorina ny toe-tsaina mampisaraka sy mandrava fiombonana. Mitaky toetra amam-pihetsika mendrika avy amin'ny tsirairay ny fampanjariana ny fiarahan-dia : fifampiresahana, fifampihainoana, fifanajana, fifehezan-tena, fanetren-tena. Fampianaran'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, momba ny toetra takiana amin'ny Eglizy mba hiainana ny fiarahan-dia.

29 jolay — Rahavavin’i Marie Madeleine anabavin’i Lazara i Masimbavy Marthe. Mpikarakara tokantrano izy ary tao Betania izy ireo no nitoetra. Mendrika tokoa izy amin’ny halemen-panahy sy ny fitiava-namana ka nampiavaka azy ny asa atao amin’ireo sahirana sy ny fampiantranoana ny mpamonjy sy ireo mpianany.

Ny firehan-kevitra politikam-pitantanana tokony hanana dia : ny mikendry ny tanjom-piainana "soa iombonana" ho an'ny fiaraha-monina fa tsy tia kely. Tsy maintsy misy ny rindran-damina araka ny tanjona sy ny fironana amin'ny sehatra rehetra toy ny fikambanana sy ny antoko. Omena lanja ny fahambonian'ny olombelona, miohatra amin'ny zavatra hafa. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...