24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.
23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.
22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.
21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco