6 marsa 2025 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.
Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
5 marsa 2025 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco