Ny zava-misy dia hadinontsika olombelona fa manana ny hasina maha izy azy ireny zava-boahary ireny satria zava-miaina. Porofo : lasa manjakazaka amin'ny zava-boahary isika olombelona dia eo ny fandripahana ny biby, ny ala ary ny fandotoana ny tontolo iainana. Vokany : maro ny karazan-java-maniry manjavona isan-taona, ary mety tsy ho fantantsika intsony. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
3 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — ao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)
Simba ary manjavona ny zava-miaina maro karazana, tsy ny tontolo iainana ihany, fa ny haren'ny tany ihany koa dia iharan'ny fanimbana. Ny faharipahan'ny ala sy ireo zava-maniry hafa dia mitarika avy hatrany koa ny fanjavonan'ireo zava-miaina mety ho loharanon-karena lehibe, ao aoriana ao : tsy amin'ny lafiny ara-tsakafo ihany, fa eo amin'ny fitsaboana ny aretina ary eo amin'ny sehatra maro hafa koa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
2 nôvambra 2023 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco