17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)
Ny zokiolona dia akaiky kokoa ny ankizy ary tena namany ; ny tanora anefa tsy mahari-pery ka mahatonga ny tsy fifankahazoana. Maro ireo hevitra tsy mampilamina ny fifandraisan'ny tanora sy ny zokiolona, heverina ho manakana ny fahalalana azy io tranga io. Olana tena miseho ny toetra amam-pihetsiky ny tanora. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
16 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 23-28)
Nisy fotoana nisahirana kokoa mampiasa saina mba hananana kilalao, ilay hilalao no mamorona. Ankehitriny, mandray vonona ireo efa vita araka ny fivoaran'ny teknolojia ny rehetra ; misy lafin-tsarany sy rafi-ratsiny anefa izany ary miantraika amin'ny fomba fisainana ; ohatra ny kilalao basy dia misarika ny saina ho tia ady. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco