Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 16, 1-13)

Nohosoran’i Samoela i Davida teo afovoan’ny rahalahiny; ary dia nidina tamin’i Davida ny Fanahin’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nilaza tamin’i Samoela ny Tompo nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no itomanianao an’i Saola,
kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony?
Fenoy diloilo ny tandrokao,
dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betlehema ianao,
satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako.”

Dia hoy i Samoela:

“Hataoko ahoana no fankany?
Ho ren’i Saola izany dia hataony maty aho?”

Ary hoy ny Tompo:

“Mitondrà vantotr’ombivavy, ka ataovy hoe:
Hanatitra sorona ho an’ny Tompo no nankanesako taty.
Ary asao i Jese amin’ny sorona,
fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao,
dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao.”

Dia nataon’i Samoela izay nandidian’ny Tompo azy,
ka nankany Betlehema izy.
Tonga nitsena azy ny loholon’ny tanàna tamin’ahiahy ka nanao hoe:

“Hampiadana va no nahatongavanao?”

Dia hoy i Samoela:

“Hampiadana.
Tonga hanatitra sorona ho an’ny Tompo aho.
Ka hamasino ny tenanareo,
ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny sorona.”

Dia nanamasina an’i Jese sy ny zanany izy,
sy nanasa azy ireo ho any amin’ny sorona.
Nony tafiditra izy ireo dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe:

“Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Aza ny tarehiny no jerenao,
na ny haavon’ny tsanganany,
fa efa natanilako io.
Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy;
ny olombelona mijery ny tarehy
fa ny Tompo kosa mijery ny fo.”

Dia i Abinadaba indray no nantsoin’i Jese,
ka nampandaloviny teo anatrehan’i Samoela
fa hoy i Samoela:

“Itý koa tsy mba nofidin’ny Tompo.”

Dia i Samà indray no nampandalovin’i Jese,
fa hoy i Samoela:

“Tsy mbola ilay voafidin’ny Tompo koa itý.”

Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa ireto fito mirahalahy
tamin’ny zanany ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto.”

Ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?”

Dia hoy i Jese:

“Mbola misy ilay faralahy,
ka indro fa miandry ondry izy.”

Ka hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ampanalao izy,
fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy.”

Dia nampanalain’i Jese io.
Mavo mena ny volon’izy izay;
sady bary maso izy no tsara tarehy.
Ary hoy ny Tompo:

“Mitsangana, hosory io, fa io no izy.”

Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo,
ka nohosorany teo afovoan’ireo rahalahiny io;
ary hatramin’izany andro izany ka hatramin’ny andro manaraka,
dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo.
Dia niainga i Samoela nankany Ramata.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 27-28

I Davida mpanompoko no sitrako.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,
Andriamanitro sy vatolampy famonjena ahy.
Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako,
sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 23-28)

Ny sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata.

Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:

“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”

Fa hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”

Dia hoy koa Izy taminy:

“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...