Misy ny olana ateraky ny fanalan-jaza ; ny hoe fanalan-jaza dia teny somay malefaka amin'ny teny malagasy fa raha atao amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "famonoana zaza na famonoana olona". Ireo fiantraikan'ny fanalan-jaza amin'ny olona : tsy mampilamina ny saina ka lasa manameloka ny tenany ilay olona ; ara-batana dia mety hiteraka aretina sy famoizan'aina ; fahasimban'ny tranon-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

Antony mahatonga ny fanalan-jaza ihany koa ny fitaka ataon'ny lehilahy hoe hanambady vehivavy, rehefa mitondra vohoka anefa ilay vehivavy dia mitsaoka adidy ilay lehilahy, hany ka menatra ilay vehivavy dia tsy maintsy misafidy ny hanala zaza. Misy amin'ireo fanalan-jaza no tsy safidin'ny olona manao azy satria vokatry ny herisetra na fanolanana no nahazoana ilay vohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

6 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...