19 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 13-19)
Tsy manana fahafahana ny Zokiolona : asaina mipetraka ao an-trano mba tsy hanelingelina ny fiaraha-monina. Misy ny fiheverana fa manakorontana ny fampandrosoana ny Zokiolona, tsy maharaka ny fivoaram-piainana, tsy manana vinam-piainana. Ny Zokiolona dia olon-kendry, volafotsy marika ny fahendrena. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
18 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)
Ireo zokiolona dia manofana ireo tanora, mizara ny trai-kefam-piainany. Misy ny fiheverana fa sakana ho amin'ny fahafahana ny zikiolona, vesatra ara-toekarena indrindra ny amin'ny resaka sakafo ary ny fitsaboana rehefa anatin'ny aretina. Tsy eken’ny Eglizy ny fomba rehetra manafaingana ny fahafatesan’ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco