8 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Misy ny olana ateraky ny fanalan-jaza ; ny hoe fanalan-jaza dia teny somay malefaka amin'ny teny malagasy fa raha atao amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "famonoana zaza na famonoana olona". Ireo fiantraikan'ny fanalan-jaza amin'ny olona : tsy mampilamina ny saina ka lasa manameloka ny tenany ilay olona ; ara-batana dia mety hiteraka aretina sy famoizan'aina ; fahasimban'ny tranon-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
Antony mahatonga ny fanalan-jaza ihany koa ny fitaka ataon'ny lehilahy hoe hanambady vehivavy, rehefa mitondra vohoka anefa ilay vehivavy dia mitsaoka adidy ilay lehilahy, hany ka menatra ilay vehivavy dia tsy maintsy misafidy ny hanala zaza. Misy amin'ireo fanalan-jaza no tsy safidin'ny olona manao azy satria vokatry ny herisetra na fanolanana no nahazoana ilay vohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco