10 marsa 2024 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)

Misy dingana samihafa ny fiforonan'ny zaza ao am-bohoka ara-tsiansa manomboka eo amin'ny fihaonan'ny tsirinain'ny lehilahy sy ny vehivavy ka hatramin'ny fahatelovolan'ny kibo dia antsoina hoe "embryon" ilay zaza. Mbola ao am-bohoka ny zaza dia efa fantatr'Andriamanitra, rehefa mihaona ny tsirinaina lahy sy tsirinaina vavy dia olombelona no miforona ao amin'iny fotoana iny. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

9 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...