Fahefan'ny Fiangonana ny fankatoavana sy ny fampijoroana ny fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy. Tsy mijanona hatreo amin'izay fotsiny anefa fa mbola zava-dehibe ihany koa, amin'ny fampiasana ny fahefana napetrak'Andriamanitra amin'ny Fiangonana, ny fandraisany ny voady ampahibemaso ataon'ireo relijiozy mandritra ny fankalazana ny Eokaristia. Toetra natokana ho an'Andriamanitra ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny relijiozy dia manaraka ny torohevitra, manao voady ampahibemaso ho ren'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny relijiozy dia manana lehibe dia iny no maniraka azy ; ny diôseziana dia ny Eveka no maniraka azy amin'ny toerana iasany. Ny Relijiozy dia mandray sy makatoa ny fitsipi-piainana atolotr'ireo mpanorina ny fikambanana rahefa nalamina sy voadinika tsara... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Ny faneken'ny Papa no maneho fa ankatoavin'ny Fiangonana ny fijoroan'ny Fikambanan-drelijiozy iray. Adidin'ny Fiangonana ary isan'ireny relijiozy ny miandry ny vahoakan'Andriamanitra sy mitondra azy eny amin'ny fiainana tsara. Adidiny ihany koa ny mametraka lalàna sy mitantana amim-pahendrena araka ny Vaovao Mahafaly ; mampirisika ireo fikambanana handrafetana ny Vatan'i Kristy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...