Amin'ny  maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Miseho amin'ny endrika maro ny fahamasinana, niainga tamin'ny safidim-piainana manokana ny famaliana ny antso ho amin'ny fahamasinana, ny maro nijanona ho lahika, fa ny sasany niroso tamin'ny fanokanan-tena ho pretran na relijiozy.Ho fikatsahana ny fahamasinana dia miara-misalahy sy mifanome tanana hifanompo sy hifampitondra mankany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Lalan-kizorana hahatongavana any amin'ny "antso loloha lanitra" ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy ny fananana hatsaram-panahy. Tsy ezaky y nofo aman-dra no hahazoana io fahamasinana io fa fahasoavan'Andriamanitra izay mifototra indrindra amin'ny hatsaram-panahy. Olom-boafidin'Andriamanitra isika ka tsy maintsy mitafy famindram-po... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...