Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Manana adidy isika kristianina hiady amin'ny fakam-panahy, satria ao am-pontsika ao no sehatra hisehoan'io ady io ; araka ny voalazan'i Masindahy Paoly "fantatro fa tsy mitoetra ao amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko" Ny demony dia fanahy, vahaolana hiadiana aminy ny fialana amin'izay rehetra mety ho fakam-panahy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
I Eva renin'ny velona rehetra dia tandindon'i Masina Maria renin'ny kristiana rehetra. Tsy natao hiara-dalana ny vehivavy sy ny fanahy ratsy, efa fantatra hatrany am-piandohana fa ny vehivavy sy ny taranany no handresy. I Masina Maria sy ny taranany no fampanantenana nambaran'Andriamanitra, an'ireo ray aman-drenintsika lavo tamin'ny fahoatana, fa hanorotoro ny lohan'ny bibilava... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny fanomanana ara-tipôlôjika dia olona na zavatra iray hita ao amin'ny Testamenta Taloha manambara olona na zavatra iray ao amin'ny Testamentra Vaovao, manana toeratra hitovizana. Ohatra ilay sambo fiara an'i Nôe, io dia efa mitovy amin'ilay tanàna masina midina avy any an-danitra, izay hiaro ny olona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana dia ny Fiangonana izany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco