Ny anjara raharahan'ny Eveka iray anisan'ny lehibe ary fahatelo dia ny fitantanana ka ny Diôsezy ankinina aminy no iandraiketany amin'izany fitondrana izany. Mizaka ny Fiangonana eo amin'ny toerana nankinina taminy ny Eveka satria solontena sy masoivohon'i Kristy. Takiana amin'ireo Eveka sy ny Pretra miara-miasa aminy ny fanoloran-tena feno tahaka ny fanoloran-tenan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny anton-draharahan'ny Eveka voalohany indrindra dia mitory Evanjely amin'ny olona rehetra noho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Fahefana natolotra azy ireo avy any an-danitra sy ety an-tany io ka ny hampianatra ny firenen-drehetra sy ny hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary manontolo no mamehy izany fahefana izany ; tanjona ny ahazoan'ny rehetra famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...