Ny fandinihana masina dia fiverenana amin'ny zavatra hita nandritra ny vakiteny, fandalinana lalina kokoa hahazo ny lahatsoratra. Fandinihana hidirana lalina kokoa amin'ny fahafantarana an'i Jesoa ihany koa ity voalaza ity. Manampy amin'ny fandinihana masina ny fametrahana fanontaniana amin'ny tena ; ohatra : inona no ambarany amiko... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
Amin'ny fotoana ny vavaka dia ilaina ny fahanginana, tokony ho tony tanteraka ny fo sy ny vatana, ny fifantohan'ny saina. Mba ahazoana tsara ny Tenin'Andriamanitra dia atao amim-pitandremana ny famakiana azy, azo atao ny mandray an-tsoratra na fanamarihana manandrify ireo teny manaitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
Mila fiomanana mialoha rehefa mivavaka miaraka amin'ny Soratra Masina, ilana fahavononana. Ny vavaka dia misy fotoanany sy toerana ary toro-lalana avy amin'ny Soratra Masina. Ny Fiantsoana ny Fanahy Masina dia mitarika, mankahery sy mampifandray amin'ny hafa toy ny fiombonana amin'ny namana, fiombonana amin'ny Eglizy ary indrindra amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
Fototry ny vavaka ny Soratra Masina, ao anatin'ny vavaka no teraka ny fihaonana amin'Andriamanitra sy ny olona iray ; ny vavavaka dia mampiova ny fiainantsika. Manana anjara toerana manokana eo amin'ny fiainan'ny Kristiana ny Tenin'Andriamanitra. Amin'io no iresahan'Andriamanitra amintsika olombelona sy fihaonana aminy, mampahatsiaro ny fitiavan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco