Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny ray aman-dreny no ilaina hamafisina, aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny aina amin'ny alalan'ny soatoavina Malagasy fototra dia ny fihavanana. Misaotra an'ireo fikambanana miaro sy manampy ny ray aman-dreny mitondra vohoka isika ka hanampy azy ireo handray am-pitokiana ilay fanomezana kely vaovao dia ny zaza hateraka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Reny sy mpampianatra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any am-bohoka, mpampianatra sy mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, ary ny marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika (Jo 17, 17). Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra firenena, manana adidy hiaro ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Resahina be ankehitriny ny hoe famerana isan-jaza, fanabeazana aizana ; mila mitandrina anefa fa amin'ny ireny fomba fanabeazana aizana ireny dia misy amin'izy ireny tsy hoe manakana ny tsirinaina lahy sy vavy fa ilay efa mitsaika no potehin'ilay fomba dia mivoaka ilay zaza. Ny toe-tsaina ankehitriny vokatry ny fanatontoloana no mamporisika ny olona hanala zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Ny olombelona dia natao hameno ny tany, natao hiteraka ao anatin'ny fanambadiana. Tsy resaka fahafinarentana fotsiny fa tena misy antony lehibe no namoronan'Andriamanitra ny fanambadiana. Efa manan-jo ho velona ny zaza manomboka amin'ny fiforonany ao am-bohoka, hita taratra ao anatin'ny didy folo io zo fototra io. Tsy maintsy hajaina sy arovana amin'ny fomba rehetra ny ain'olombelona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...