Fahaizana  : MÛSÄR amin'ny teny hebrio. Misy heviny roa : ny voalohany dia hoe manasazy na manitsy. Ny fanitsiana sy ny fananarana na koa ny fanasaziana dia zavatra ataon'ny lehibe amin'ny olom-peheziny, ny raiamandreny amin'ny zanany, ny mpampianatra amin'ny mpianatra ; ny faharoa dia mampianatra sy manabe ary manoro ihany koa ny izany hoe fanabeazana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Adidin'ny mpanabe ny mamolavola ireo ankizy sy tanora mba hanana fahalalana sy fahaiza-manao, hahay hitondra-tena mendrika sy ahalala fomba ary mahay miaina. Olon-kendry izay mahay miaina. Ny raiamandreny mihitsy no mila fanabeazana voalohany satria ny fahendrena dia azo vokatry ny fandinihana ny zava-misy sy traik'efa ary iny no maharitra sy mitoetra ao amin'ny ankizy.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Ny atao hoe fahendrena amin'ny Soratra Masina dia mahasahana zavatra maro : Fahaiza-manao "savoir faire", tsy mbola miresaka fitondran-tena fa resaka fahalalana sy hakingana ary fahaiza-manao ; fahakingana eo am-panaovana asa iray (1R 7, 14) feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany ; olon-kendry ; mahay mitondra tena.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Ny fanabeazana dia mahasahana ny fivelaran'ny maha-olona manontolo ny tsirairay ka mikendry ny mba hananany fahafahana sy fahaizana ary fahombiazana eo amin'ny ara-batana,ara-haitao sy teknika, ara-tsaina sy ara-panahy. Ny fanabeazana dia natao hampitàna : fahalalana sy fahaizana mba handrafetana ny ho avy, fa indrindra, fampitàna fomba fiaina sy fomba fisaina.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...