Ny fomba naharian'Andriamanitra antsika olombelona mihitsy no mahatonga antsika hikaroka Azy. Ao anatintsika ao dia misy hetaheta sy faniriana lalina, mety ho fahatsiarovana io na embona izay mitarika sy mandrisika antsika hivoaka amin'ny tenantsika, hanao dingana, hitady ilay afaka hanome antsika io hetaheta sy faniriana io. Mivavaka isika satria ao anatintsika ao misy faniriana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Ny vavaka dia avy amin'ny fo, fototra sy itoeran'ny maha-izy azy ny olona, hoy ny Papa. Ny maha izy azy ny tena manontolo no miatrika an'Andriamanitra rehefa mivavaka ny olona iray. Ny mivavaka dia mampitodika ny fo amin'Andriamanitra, rehefa mivavaka ny olona dia mifandray mivantana amin'Andriamanitra izy. Manana ny anjara toerany ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra, ny fo no mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Toy ny antso miainga avy ao am-pon'nizay mino ny vavaka, miampita any amin'Andriamanitra, ao anatin'ny fitokisana tanteraka. Ny olona manam-pinoana no mivavaka, ary ny vavaka no mampisokatra ny mino any amin'Andriamanitra, hizarana ny manjo sy hanantenana izay angatahina. Raha mivavaka isika dia miresaka amin'Andriamanitra, ilaina ny fahatoniana, izany hoe miala amin'ny tabataba mba ho afaka hifantoka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...