Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Loharano hipoiran'ny fanantenana ny vavaka satria mampitodika tsy tapaka amin'ilay nanao ny zavatra rehetra. Ny tena olombelona dia izay mahay manokatra fomba fijery vaovao amin'ny misterin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra. Ny fahazotoana mivavaka no manambara mazava hoe manan-kianteherana isika dia Andriamanitra Mpahary. Izay tena mivavaka dia mahatsapa fa ny antso ho amin'ny fitsanganan-ko velona no tena antso farany ho azy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Mampisaotra, maha te hidera, mahatalanjona sy mampitolagaga ny fahaizan'Andriamanitra nanamboatra ny zavatra rehetra ka mampi-te hisokatra aminy isanandro. Tsinotsinona isika mitaha amin'ny fahalalan'Andriamanitra ary mirohanahana ihany izay mba fihevetsika, ka ny tsara indrindra dia ny mihaiky ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny tsara indrindra ho an'ny olombelona dia ny miantehitra amin'Andriamanitra Mpahary. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Mariky ny fahalehibiazana tsy hita pesipesenina ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Raha te hanahaka an'Andriamanitra ny olombelona noho izy noharian'Andriamanitra dia tsy maintsy miankina tanteraka aminy. Ny fahaiza-mivavaka amin'ny fitsahona sy ny fiderana ; amin'ny fifonana sy fangatahana ary amin'ny fitiavana sy fanajana ihany anefa no mari-drefy tokana hilazana mifandray amin'Andriamanitra ny olombelona. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco