Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy : mba ampianaro mivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny Mpianany. Voalaza ao amin'i Matio 14, 19 : dia nasainy nipetraka tamin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 :  tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Olon'ny vavaka i Jesoa mazava arak'izany fa mivavaka Izy ary manome fitaratra ho antsika amin'izany vavaka izany. Na dia zanak'Andriamanitra aza i Jesoa, izany hoe Andriamanitra dia nivavaka toy ny olona rehetra mivavaka ary tena nivavaka tokoa. Mamaritra ny toetra maha-olona ny vavaka ka anisan'izany i Jesoa ; izany no niantsoana azy hoe "zanak'olona". Amin'ny maha Zanak'olona Azy no nilany ny vavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Kristiana isika fa maro amintsika no tsy mahalala ny tena vontoatin'ny vavaka ary betsaka aza no tena hoe tsy mahay mivavaka mihitsy. Aoka isika hanana ilay hetaheta nananan'ireo mpianatr'i Jesoa niara-nitoetra taminy ka hangataka amin'i Jesoa na ireo solon-tenany hoe "ampianaro mivavaka izahay!" Ny fahitan'ireo mpianatra an'i Jesoa nivavaka no nahatonga azy ireo nangataka mba hoampianarina mivavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...