Ny Eglizy dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra. Mahefa be ny Eglizy rahefa ahafahan'ny zatovo manao ny anjarany amin'ny famelomana ny ain'ny Eglizy. Ireny olona voaantso manokana ireny dia matetika no niainga avy amin'ireo karazam-pikambanana masina eo amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Tonga Zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy isika noho ny Batemy ary " Fanahy iray no nanaovana Batemy antsika, mba ho vatana iray isika". Sarobidy ny famolavolana ho amin'ny fandraharahana masina satria lehilahy vita Batemy ihany no azon'ny Eglizy omena ny Sakramentan'ny Fandraharahana masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Tsy mora ny mihaino sy mamantatra ny antso manokana hiantson'Andriamanitra antsika, hizorana mankany amin'ny fahamasinana ka tsy afaka ny hitompo teny ho fantatra. Mba tsy hivoana dia ilaina mandrakariva ny fisian'ny hafa hanampy antsika hamantatra ny tokony hatao. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Indraindray isika entanim-po manoloana ny antso, misy fotoana kamo na matahotra dia mitady fialan-tsiny, indraindray sady tsy mahafoy ny rendrarendra nefa koa te hanaraka an'i Jesoa. Manoloana ireo dia lasa miroroa saina isika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco