Tamin’izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona." Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.
Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?" Ary namaly ireo ka nanao hoe: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona." "Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao hoe: "I Kristin’Andriamanitra." Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo."
Tamin’izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: "I Joany no nitsangan-ko velona"; ny sasany nilaza hoe: "I Elia no niseho"; ary ny sasany nanao hoe: "Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona." Dia hoy kosa i Herôda: "Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?" Dia naniry hahita Azy izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: "Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo." Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: "Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany". Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: "Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra". Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: "Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy".
Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: "Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny." Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: "Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."
Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany, ka izao no navaliny azy: "Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.
Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: "Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io." Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: "Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao." Dia hoy izy: "Lazao, ry Mpampianatra." Ary hoy i Jesoa: "Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?" Dia hoy i Simôna namaly Azy: "Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa." Ary hoy Izy taminy: "Marina ny anao."
Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: "Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana." Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: "Voavela ny helokao." Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: "Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?" Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: "Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: "Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza."
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: "Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: "Mandehana", dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: "Avia", dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: "Ataovy izany", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza." Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco