Isan'ireo voka-dratsin'ny "facebook" ny faharavan'ny tokan-trano maro. Misy ireo mpivady zary mifampiahiahy sy tsy mifampatoky intsony, ary mety hitarika hatramin'ny fisarahana. Variana amin'ny fampiasana finday na solosaina ny mpivady ka miteraka tsy filaminan-tsaina izany. Mety hiteraka tsikelikely ny faharavan'ny fifandraisana sy ny elanelana eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

Manana ny heviny ny Eglizy katôlika manoloana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera. Ambara mazava fa tsy misy lalàna na andinin-dalàna manome alalana na mandrara ny fampiasana ny "Facebook" raha ny ato anivon'ny Eglizy katôlika. Azo lazaina fa afaka ho sehatra fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny "Facebook", azon'ny Eglizy hanatevenana ny fifandraisany amin'ny ireo tsy tonga any am-piangonana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

Mila fahaizana mandanjalanja ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera mba tsy hanimbana ny soatoavina toy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ny fihavanana, ny fifaneraserana. Tsy tokony hanimba ny maha izy anao sy ny hafa ny fampiasana ny tambanjotran-tserasera fa tokony ho entina mampivoatra ny maha-olona hita ao amin'ny fanabeazan'ny Soratra Masina sy ny Eglizy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

Ny olombelona dia olon'ny fifandraisana. Natoraly ho an'ny olombelona ny fifandraisana miaraka amin'ny manodidina azy. Ny olona tsy afaka mifandray amin'ny hafa dia olona voasokajy ho olona voasazy. Na natoraly ho an'ny olombelona aza anefa dia mila voizina sy kolokoloina ny fihaonana : na ao an-trano na ao amin'ny toeram-piasana na eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Ilaina ny mandrindra na manao fandaharam-potoana matotra mba ahafahana mihaona ary ny fihaonana izay hatao dia tokony misy antony mazava sy voaomana tsara raha tsy izany dia mety tsy ahitana voka-tsoa. Ny vokatry ny fihaonana dia araky ny tanjona tratrarina ; vokatry ny fihaonana ny fifankahafantarana na eo amin'ireo efa mpinamana na amin'ny olona vaovao. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Misy ny toeram-pihaonana mety mitondra fahasoavana ary eo koa ireo mitondra any ami'nny fanimbàna. Ilaina fantarina tsara ny olona na vondron'olona hihaona mba hamaritana ny toerana. Ny toerana tsara ihaonana dia izay azo antoka, voaaro, toerana misy mpanabe, misy raiamandreny (fianakaviana, sekoly, fiangonana, fikambanana). Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Tsy mitsahatra manao dingana voalohany mihaona amin'ny olombelona Andriamanitra. Raha te-hikolokolo ny fihaonana ny olona dia mila manana fandavan-tena, mila manao dingana voalohany. Ilaina ny fifampitokisana rehefa misy ny fihaonana. Tsy navelan'Andriamanitra ho irery isika fa nirahiny hiara-monina amintsika ny zanany. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Maro ireo zavatra miseho eo amin'ny tontolo iainantsika manamaloka ny fihaonana amin'ny tsy fisokafana : ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fifampitokisana afafin'ny fiaraha-monina ; ny akon'ny fifandraisana tsy mikolokolo ny fifampiresahana sy ny fiaraha-monina ; ny fanilikilihana ireo izay mila kolokoloina sy andrianina ; ny tsy fitovian-jo sy endrika vaovaon'ny fanandevozana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Mila manana fahadiovam-po tanteraka ny olona tsirairay ary tsy tokony hitsaratsara ivelany. Toe-panahy tokony hanjaka ny hoe hitady zavatra iray iarahana manatanteraka mba hanehoana fiombonana sy hikatsahana soa iombonana. Omena ny hasiny ny olona tsirairay ary tokony hisongadina ny fandraisana ireo voalikilika. Ny fifamelana dia fototra tsara ho an'ny fifandraisana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Ny hevitry ny fifanakalozan-kevitra, avy amin'ny teny grika hoe "dialogue", "dia" sy "logos", izany hoe ny "dia" tsy midika roa fa fiampitana, ny "logos" izay midika hoe teny izany hoy avy amin'ny fiampitan'ny tena na avy amin'ny alalan'ny resaka. Tsy "fifampiraharahana" ny fifanakalozan-kevitra fa fahafahana manambara izay maharesy lahatra ny tena, am-panajana ny hafa. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Tsy olona iray no mifanakalo hevitra fa misy roa na maromaro, noho izany dia hevitra voadiniky ny maro no hifanakalozana ary mitondra fiombonana izany. Rehefa ny fanapaha-kevitra iray no nandraisan'ny sokajin'olona samihafa anjara dia tonga amin'ny fankatoavana iraisana. Tombony azo raisina amin'izany ny fahavitrihan'ny rehetra hanatontosa ilay fanapahan-kevitra. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Mba hisy vokany ny fifanakalozan-kevitra dia tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra mangataka ny fanilovany, mangataka ny sitrapony, mangataka ny fitantanany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina izay manoro hevitra tsara mandrakariva ny olombelona dia manoro antsika Izy, fomba entina hanentanana ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra. Tsy fanaovana fifanakalozan-kevitra eo am-pisakafoana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...