Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...