Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra. 

Ao amin'ny Jenezy 1, 28 " miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy". Ny hoe mitomboa maro dia midika ho fiarovana ny aina ; ary ny hoe mizakà dia midika ho fizakàna ny tany amin'ny alalan'ny asa. Rehefa tsy an'asa ny olona iray dia tsy afaka ny hiaro ny aina satria ny olona noana dia tsy afaka hiaro ny aina. Nomen'i Jesoa kristy lanja ny asa nandritra ny fotoana nahavelomana satria ny 3 taona no nitoriany ny teny fa ny 30 taona teo alohan'izay dia natokany ho an'ny asa.

Fikambanana manana ny lanjany eo anivon'ny Eglizy katôlika ny F.E.T, Mompera Odon Honoré Andrianarisoa no niandraikitra io herivelona io. Io pretra io fony fahavelony dia isan'ireo pretra ao anatin'ny fikambanan'i Jesoa hatramin'ny 6 novambra 1989. Ity pretra ity no Aomonie an'ny F.E.T, isan'ireo nanao fandalinana momba ny Eokaristia. Niandraikitra ny tantsoroka ho an'ireo Nôvisy.

Tontosa soa ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy ny Arseveka an'Antananarivo ary ny famaranana ny androm-pirenena ho an'ny ankizy, izay samy natao teny amin'ny kianja Soamandrakizay. Ny olon'ny fiombonana dia samy maneho ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Miantso ny rehetra mba handini-tena manoloana ny fikatsahana ny rariny sy ny marina, na ireo amin'ny sehatry ny finoana, na fitondrana, ny iray tanàna, atsaharo ny fanararaotana ny fahalalana olona, fa manimba zavatra maro.

I Jesoa Kristy no teny tonga nofo ary nofo tonga mofo, izy ilay voa nafafy, ilay raisina ao amin'ny Eokaristia. Ny Kristiana vita batemy no tany hamafazana izany Eokaristia izany, izay miaina ny finoana sy ny fanantenana. Ny mpino dia azo hambara ho tany lonaka, indrindra raha mazoto mandray Kôminio sy ny sakramentan'ny fampihavanana. Ny fitiavam-bavaka sy ny asa fihatrana ary ny fitiava-namana no hendriky ny rano entina hanondrahana ny finoana mba hivelatra.

Manana ny lanjany sy ny anjara toerany manokana ny vehivavy raha ny Soratra Masina no jerena sy dinihina akaiky. Ny Pentateoka na ireo Boky Dimin’i Moizy no hiaingana, ka azo lazaina ho mifandanja sy tsy misaraka, saika matetika, ny fampiasàna ny teny hoe «vehivavy = V» sy «lehilahy = L» (Jenezy in-42 V / in-79 L, Eksaody in-20 V / in-24 L, Levitika in-28 V / in-29 L, Fanisana in-27 V / in-84 L, Deteronomy in-20 V / in-31 L). Raha ny Baiboly iray manontolo kosa no jerena dia miverina in-715 ny teny «vehivavy/ravehivavy/m-behivavy» ary in-1050 kosa ny hoe «lehilahy, ralehilahy/n-dralehilahy). Raha ny Testamenta Taloha (TT) sy ny Testamenta Vaovavo (TV) no ampitahaina dia: in-172 V TT / in-251 V TV ary in-543 L TT / in-799 L TV. 

Ny zava-misy iainantsika ankehitriny dia mbola ao anatin’ny tontolon’ny Konsily Vatikana II, ka mila mivelatra sy misokatra amin’ny hafa isika, ary mila mihevitra sy mandinika lalina ny tena fiainantsika. Amin’ny maha Konsily pastoraly azy, dia asainy miverina mitodika sy mandray ireo Lovantsofina isakarazany isika, fa tsy tokony hionona amin’ireo zavatra voasoratra fotsiny ihany. Any ka nitondra fiovàna be teo amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fomba fandinihana ny tantara ny ezaka nataon’ireo mpikaroka eran’izao tontolo izao, taorian’ity Konsily Vatikana II ity.

Sabotsy 18 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

Zoma 17 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Alakamisy 16 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Talata 14 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...