Efa anatin'ny karemy isika satria efa avy nanamarika ny alarobian'ny lavenona, izay koa no hanomanantsika ny paka. Ho famenon'ny Batemy dia misy ny Eokaristia sy ny Fankaherezana izay endrika mahafeno ny maha kristiana. Ny amin'ny penitasy dia efa ampy ny fieken-keloka sy filazana ny fahotana nataon'ny olona iray fa mandavorary izany ny fanomezana ny famotsorana ataon'ny pretra, toy izany ny fanosorana ny marary izay lavorary noho ny fanosorana ny menaka, eo amin'ny sakramentan'ny filaharana dia eo ny fanosorana ny menaka. Ny asan'ny Batemy dia manala ny fahotana tamin'ny fototra, mahatonga ho zanak'Andriamanitra sy ho mpandova ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...